<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Phoebe P. Knapp</author>
<title>Finaritra ny manome FFPM535</title>
<lyrics>[V1]
 Finaritra ny manome
 Ireo mahantra maro be,
 Ka mahafoy fananana
 Hiantra ny tsy manana.
 Izao no asa mahasoa
 Izay manendrika tokoa ;
 Ny manome an-tsitrapo
 Hitsinjo olona ory fo.

[V2]
 Ry olon'Andriamanitra !
 Mba mihetseha fatratra
 Hamonjy sy hanafaka,
 Hanampy ireo madinika.
 Izay mamonkin-tanana
 Malain-kiantra namana,
 Izay mihirim-belona
 Tsy hanam-piadanana.

[V3]
 Ny vola izay nafoinao
 Dia tsy mba very foana izao,
 Fa ny mahantra no mandray,
 Ka lasan'i Jehovah Ray,
 Ireo kamboty mba vangio,
 Mpitondratena mba jereo ;
 Izao no fivavahana
 Izay madio sy masina.</lyrics>
<hymn_number>535</hymn_number>
</song>